Tags: Zaza

Zava-doza ary tsy mifanditrovana ny dahalo amin’izao. Tany Bekily dia zaza dimy taona no saika maty naolan’ny malaso teo imason-dreniny. Tezitra ireo olon-dratsy satria tsy azon’izy ireo ny vola  aman-tapitrisa tao amin’ilay tokantrano notafihany, satria mbola tsy voarainy tompon-trano ny vidin’omby. Tezitra ireo jiolahy ka ilay zaza tsy manan-tsiny no nanamparana ny haromotany novetavetaina teo…

Ny 24 febroary teo no nisehoan’ny tantara tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ampangalatsary any amin’ny kaominina Andasibe  Moramanga. Raha iny avy nianatra iny mantsy i Angela, tovovavy kely ho feno enina  taona rahampitso 8 martsa, dia nilalao teo antokotany. Ny vaovao nampitain’ny fianakaviana no nahalalana fa nisy niantso izy izay tsy iza fa ny…

Tsy iza fa ny raikeliny ihany no nahavita an’izany. Tompon’andraikitra iray eo anivon’ilay sekoly no nahita an’ilay zazakely izay lasa marary lava sy mandringa. Isaky ny nanontaniana izay manjo azy izy dia mitomany foana. Rehefa notambatambazana anefa dia namboraka ihany ilay zaza fa naolan’ny raikeliny. Nampandrenesina ny polisy misahana ny heloka tao amin’ny zaza tsy…

Potika ny tarehin’ilay zaza ary tsy maintsy hodidina izy Tamin’ny faha-30 novambra taona 2013 no niseho ny zavatra nampalahelo teny Ambohimanarina. Ankizy kely roa, lahy sy vavy, no nisy nanondraka asidra. Ny iray teo amin’ny tarehiny ary ny faharoa teo amin’ny tongony. Amin’izao fotoana izao, lehilahy antsoina ho G. no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny…

Ankizy vavy kely fito taona no nisy saika haka an-keriny tamin’ny sabotsy lasa teo teny amin’ny faritra Antsahabe. Nirava avy nanao “cours” izy tamin’ny 12 ora antoandro, hoy ny vaovao voaray. Avy hatrany dia nisy olona efatra, lahy telo sy vavy iray nisambotra azy, hoy ny vaovao re teny an-toerana. Folaka vokatr’izany ny sandrin’ilay zaza.…

Trangam-piaraha-monina hafa indray no nitranga tany Toliara omaly. Nanizingizina ny renin’ilay ankizilahy 7 taona fa saika hamidin’ny rahavaviny roa tapitrisa ariary tamina vazaha ny zanany nipetraka tany aminy.  Somary sahirana ara-pivelomana ny renin’ity zazalahy ity ka napetrany tany amin’ny nenitoany misipa amina vazaha ny zanany, satria tsy harany ny sakafo sy ny fianarany. Nahazo loharanom-baovao…