Noely : Nisy matin’ny toaka sy voatsindrona antsy

HJRAIray no namoy ny ainy noho ny fibobohana toaka. Iray kosa no naratra mafy rehefa voatsindrona antsy. Io farany dia avotra soa aman-tsara ihany ny ainy rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy tao amin’ny hopitaly. Ankoatra ireo dia mbola nisy ihany koa ny tapa-kevitra namono tena ka niandry ny andron’ny krismasy. Olona roa izany, raha araka ny fanazavana azo tao amin’ny sampana famelomana aina tao amin’ny Hjra. Ny iray dia vehivavy, manodidina ny 20 taona, nihinana fanafody marobe rehefa tratran’ny aretim-pitiavana. Ny iray kosa dia lehilahy, tsy mbola tena fantatra izay nahatonga azy nandray io fanapahan-kevitra io. Olona roa hafa safotry ny toaka ary mbola mitohy tsaboina ao amin’ny hopitaly omaly. Ny adiady an-dalambe no tena betsaka raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Maro ireo olona nentin’ny toaka dia niadiady tetsy sy teroa.  Toe-javatra mateti-pitranga ihany rehefa andro fety toa izao. Nisy ihany koa ireo nararin’ny sakafo nohaniny, manodidina ny 10 eo ny tarehimarika azo omaly hatramin’ny dimy ora. Ny kalitaon’ny menaka ampiasaina sy ny karazan’atody nanaovana “mayonnaise” no tena isan’ny nitarika ny aretina sy tsy zakan’ny vavony ka nitarika fivalanana. Na izany aza dia mba nihena ny isan’ny maty raha oharina tamin’ny noely maro nifanesy, raha araka ny fanazavana azo hatrany.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication