Antsirabe : Taxi-be zotra 5 nivadika, 1 maty 11 naratra

Taxi be zotra laharana faha 5 ihany koa no nivadika ny faran’ny herinandro lasa teo tao Tsivatrinikamo. Mbola vokatry ny fandehanana mafy ihany koa no nahatonga ny loza, voalaza mantsy fa hamonjy olona teo amin’ny fiantsonana Tsivatrinikamo ity taksy be izao nivadika izao. Nisongona fiara iray ilay zotra faha5, tsy voavilin’ilay mpamily intsony anefa ny familiana raha ny filazan’ny niharam-boina ka nivadika ary nifatratra tany an-tanimboly. Olona iray no fantatra fa namoy ny ainy tamin’ity loza ity, ratra madinika kosa no nahazo ireo mpandeha hafa. Iray no mbola tazomina ao amin’ny hopitaly amin’izao fotoana manaraka fitsaboana.

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication