Toliara : Amidy ohatra ny anana ny « film » vetaveta

CDHatreto dia tsy mbola hita taratra firy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy ao Toliara tampon-tanàna ny ady amin’ny hosoka na piraty. Aiza ny BAP na ny “Brigade Anti-Piratage” amin’ny famongorana azy ireny? Amin’izao dia mitobaka eny an-tsena sy amidy eny rehetra eny ny “ Cd pirate ”, indrindra ny horonantsarimihetsika mamoafady, ohatra an’ireny mivarotra anana sy vatomamy ireny mihitsy. Roboka hatramin’ny ankizy tsy ampy taona, izay tsy menatra intsony miantso mpanjifa. Hatramin’ny fetin’ny mpifankatia no mankaty dia mety ny tsenan’ny “ film X ”. Tamana ireo mpivarotra, ny mpividy mifandrobaka, hoy ny mpivarotra iray ao Bazaribe sendra anay. 2 000 ariary kapila Divx iray misy horonan-tsarimihetsika dimy. Mahalafo 20 isa ny mpivarotra iray, nefa teo aloha zara raha dimy amin’ny vidiny 1 500 ariary na latsak’izany rehefa miady varotra. Anisan’ny nampahazo vahana indray ny fivarotana horonantsarimihetsika mamoafady tato ho ato any amin’ny tanànan’ny masoandro, raha ny fanadihadiana natao, ny tahotra hivarotra ny sangan’asan’ny mpanankato malagasy, ka amin’ity zava-mamoafady ity indray no mamokovoko mibizina vola malaky, ary ny lehilahy sy ireo vehivavy nahazoazo taona (somondrara be tao) no tena betsaka manontany sy manjifa “ film X ”.

Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication