Moramanga : Gineana roalahy nahatratrarana vatosoa 1,5 taonina

Avy nalaina tany Marolambo ireo vato ireo.
Avy nalaina tany Marolambo ireo vato ireo.

Tra-tehaky ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena misahana ny fifamoivoizana an-dalam-be ny tera-tany vahiny roalahy, nitondra vato sarobidy teo amin’ny lalam-pirenena faharoa raha 08km tsy hiditra ny tanan’I Moramanga; iray taonina sy 500 kilao ireo vato ireo. Avy tany Marolambo no nangalany azy ary notombanana ny ho nanam-potoana maharitra ireto vahiny ireto nahafahany nanangona ny harena ankibon’ny tany malagasy tany ambanivohitra tany, izay inoana fa tsy ampy fahalalana loatra amin’ny lalàna mifehy ny fitrandrahana, ka raha vao mahita mpanambola mitondra taratasy santionany dia noheverina ho marina;ny antotan-taratasy mahafeno ny fepetra ahafahana manao ity asa ity anefa tsy hita teny amin’izy ireo.Mihevitra ny ho mety mandrakariva amin’ny ataony ireto Gineana roalahy, kanjo nifanena tamin’ireo zandary tena nanao ny asany ary noporofoin’ireto farany fa miady mandrakariva amin’ny kolikoly izy no sady ezaka ataon’ireo zandary eto Moramanga ny hanao môdely eo amin’ny fiarahamonina, indrindra amin’ireo minia mandika lalàna rehetra.Efa eo am-pelatanan’ny ministera misahana ny harena ankibon’ny tany ny fanohizana ny fanadihadiana.

 Cathy

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication