Andohatapenaka : Mpivarotena nanatsatoka antsy tovolahy iray

Ny alin’ny talata alina teo no nisehoan’ity tantara ity.Rà niboiboika sy kiakiaka no nanaitra ny olona manodidina. Tetsy Andohatapenaka no nisehoan’izany, tsy fantatra marina izay fototry ny olana fa efa mifankalala tsara izy roa ireto.Raikitra ny fifamaliana ka niafara tamin’ny tsatoka antsy izao, vao roapolo taona monja ity tovolahy ity .Araka ny siosion-dresaka teny an-toerana dia toa misy resaka vola ny fototry ny olana,eo no tsy fantatra mazava tsara  na saika hitsoaka tsy nety handoa vola ilay tovolahy na koa efa nisy trosa taloha izay notakiany nefa mbola tsy nomeny. Efa matetika  ity tovolahy no mandry any amin’ity mpivarotena ity, niatomboka tamin’ny fifamaliana aloha ny raharaha ka nanomboka nikasi-tànana ilay tovolahy, nahatsiaro naharary ity mpivarotena ka nanao ny fiarovantena ary naka ny antsy tao an-tranony ka nanatsatoka izany teo amin’ny lohan’ilay vehivavy,somary voa mafy ihany ilay voatsatoka ary nentina notsaboina eny amin’ny hopitaly HJRA  Ampefiloha. Eo am-pelatanany pôlisy ny raharaha amin’izao fotoana izao, ilay naratra kosa dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.

ALEM

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication