Toliara : Ramatoa hiantsena, voaendaka sy voadaroka

Sahy ny olon-dratsy amin’izao. Ramatoa iray handeha hiantsena no noendahina bandy telo omaly nisandratr’andro tany Toliara. Na teo aza ny hery tsy nitovy niezaka niaro ny fananany teny aminy ilay renim-pianakaviana. Daroka sy vono no setrin’izany. Vokany, nivoa-dra ny orony, mangana noho ny sintona an-kerisetra tamin’ny nakan’ireo jiolahy ny poketrany ny sandriny havia. Na dia niantso vonjy ramatoa, tsy nisy sahy nanavotra azy teo amin’ny manodidina betsaka olona sy mpandalo. Mpivarotra iray amoron-dalàna no hany mba sahy nitantara ny zava-nisy tamin’ny mpanao gazety, nefa nentin-tahotra ihany koa izy ka tsy sahy nanavotra. Voalazan’ity mpivarotra ity fa matetika dia ny naman’ireo mpanendaka ao Bazary Scama ireo ihany no mandrahona ireo mpivarotra  ka aleon’izy ireo misafidy ny tsy mamonjy ireo voaendaka.

Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication