Fanafihana ny « perception » : Vola 600 tapitrisa ariary no efa tafaverina

Attaque-(4)Nandeha araka ny tokony ho izy ihany ny fizaram-bola ho an’ireo zokiolona omaly na dia teo aza ny fanahiana maro vokatr’iny asan-jiolahy iny. Efa misy ampaham-bola tafaverina momba ilay fanafihana  nahafaty jiolahy telo tetsy Analahamitsy. Raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny mpitandro ny filaminana dia mitentina 600 tapitrisa ariary izany. Olona efatra no karohina ary efa mandeha avokoa ny fikaroham-baovao mahakasika an’izany. Tsy maintsy hitondra fanazavana bebe kokoa momba ireo namany rahateo ilay iray “sisam-paty” tetsy Analahamahitsy. Vola amin’ny gony no nobatain’ireo jiolahy teo an-toerana. nisy ny niparitaka tetsy sy teroa niaraka tamin’ny basy PA sy Kalachnikov. Omaly dia nazavain’ny mpitandro ny filaminana fa vola 500.000 ariary no hita. Ireo vola nataon’ny jiolahy lasibatra ireo dia vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona efa retirety. Na teo aza anefa ny savorovoro naterak’iny fanafihana iny dia tsy nanakana ny “perception” tsy nanao ny asany izany omaly. Nandeha soa aman-tsara ny fizaram-bola ary hita fa nahafaly ireo beantitra izay niasa saina ndrao tsy hahazo ny anjarany noho ny hetraketraky ny jiolahy nandritra iny fanafihana ny volan’izy ireo iny. Raha ny marina dia mbola miriaria miaraka amin’ny basy any ho any ireo efa-dahy izay mbola miaraka amin’ny volabe rahateo. Ho an’ny olon-tsotra dia tokony hamafisina ny fiarovana ireny toerana mikirakira volam-panjakana ireny. Mafy loatra mantsy ny fikaroham-baovao ataon’ny jiolahy ary matetika mihatra aman’aina ny fanafihan’izy ireo. Toa fantatr’ireo ny fivezivezin’ny vola eto an-drenivohitra. Tsy vitsy ny fiara mitatitra karaman’olona no efa voatafika. Amin’ny lafiny iray ihany koa dia toa mora loatra amin’ny jiolahy ankehitriny ny mahazo basy. Efa fantatra fa misy mpampanofa fitaovam-piadiana eto an-drenivohitra. Heverina fa tokony hiompana bebe kokoa amin’izany ny fanadihadiana rehefa misy ny tranga toa izao. Raha mbola mitohy miparitaka mantsy ny basy dia tsy hisy fandriampahalemana ho vanona izany ety amin’ny tanan-dehibe. Be loatra ny tsy an’asa izay mety hiitatra ny sainy ka ho lasa jiolahy rehefa noana ny kibo.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication