Tsivory : Malaso-40 nanafika, omby-400 very, olona-2 maty voatifitra

Tao amin’ny tanàna atao hoe Ankotika, kôminy Tsivory, ny alahady teo, omby-190 no indray nalain’ny malaso anjatony. Very tamin’izany ny basin’ny tompon’omby miisa efatra, olona roa tompon’omby no maty vokatry ny tifitra nahazo azy teo amin’ny kibony sy manakaiky ny fony. Tsy mbola hita popoka ny nitondran’ireto olon-dratsy ireo omby ireo. Mbola tao amin’ny kôminy Tsivory ihany ny talata teo saingy amin’ny tanàna hafa atao hoe Manjola, omby roanjato mahery indray koa no nanaovan’ireo malaso bodongerona. Milomay-mandositra ary miorim-ponenana any anaty ala ny mponina noho ny tahotra. Mitazam-potsiny tsy afa-manohitra ny fokonolona noho ny hery tsy mitovy. Miandahy miambavy, ireto olon-dratsy ary, saika mbola herotrerony tsy ampy taona ny ankamaroan’izy ireo tao amin’ny kôminy Sonierana ao amin’ny distrikan’i Fort-Dauphin omby efatra an’olon-tsotra no nalain’ny malaso mirongo basy sy langilangy. Saika isan’andro andrenesana halatr’omby miharo vonoan’olona. Miraviravy tanana tsy afa manao ny asany andavan’andro ny mponina.

 Rom Farady.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication