Andranomahery : Lehilahy iray namono teny tao anaty tsikafona

Nitangorona ny olona, omaly teny amin’ny faritra Ankorondrano Andrefana sy teny Andranomahery fa nisy lehilahy iray nitsambikina tany anaty honahona feno tsikafona. Nifamory ary samy vonona hanavotra ity olona ity ny rehetra. Gaga anefa avy eo fa na dia nandefasana hazo lavabe sy tady lava aza ny anao lahy, tsy nety nandray izany fa nailiny fotsiny ireo. Faran’izay lalina anefa ny toerana nilatsahany ary na ny mponina eny an-toerana aza matahotra an’io toerana io. Misy ny milaza fa rehefa eny afovoany dia mahatratra hatrany amin’ny 7 metatra ny halanin’ny rano ambany tsikafona ao. Ity lehilahy ity dia tsy misy mahafantatra azy ny mponina manodidina. Araka ny namonjena azy no vao mainka nandosirany tany amin’ny alina. Leo ireo mpamonjy ka farany niala ny toerana. Nisy ireo niantso ny mpomonjy voina avy eny Tsaralalana. Tonga teny ihany koa ny polisy miasa eny Akorondrano. Toa samy niala maina anefa izy ireo satria dia tsy nety navotana mihitsy ilay lehilahy. Efa maizina ny andro, niparitaka ny feo. Nisy ireo niteny fa avotra ihany izy. Teo koa anefa ny nilaza fa tsy hita izay nisy azy. Tsy fantatra na velona na maty izany izy hatramin’izao;

Fandrika be ho an’ny olona iny Andranomahery feno tsikafona iny. Asa na izany no fantatr’ilay lehilahy ka nahatonga azy hitsambikina tao. Herinandro vitsy lasa izay, nisy ankizy maty tao anatin’io honahona io.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication