Morombe : Famonoana lietna Dezy- Tompon’omby iray voasambotra

Mivoatra ankehitriny ny fanadihadiana momba ny raharaha namonoana an’ny Lietnà Dezy, manamboninahitran’ny Tafika lavon’ny balan’ny dahalo tao Ambahikily distrikan’i Morombe, ny alin’ny 23 aprily lasa teo. Very tamin’io andro io ihany koa ny omby 15 sy basy kalaky iray nentiny niampy bala 25. Ny talata teo, dia patiraon’omby iray ahiana ho niray tendro tamin’ireo dahalo manodidina ity vono olona mamohehatra ity no voasambotry ny mpitandro filaminana tany Betamenaka distrikan’i Manja. Amin’ny fanadihadiana lalina tsy maintsy atao azy no mety hahafantarana sy hivoahan’ny marina rehetra, satria miahiahy ny fianakavian’ny maty ankehitriny, fa niniana novonoina ny havan’izy ireo, herinandro monja taorian’ny nanaovan’ity lietnà ity ny dinan’omby tany Manja.

Amin’izao fotoana izao dia izany Remavo izany no karohan’ny mpitandro filaminana. Izy io no naka sy nitondra ilay kalach ary nandatsaka azy tany anaty lavadrano. Ny bala very kosa, dimy sisa tafaverina tamin’ireo 25 lasan’ny dahalo.

Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication