Ambohidratrimo : Ny zanany lahy ihany no namono ny rainy

Ny 19 may teo no nisian’ny disadisa tao Ampanotokana, mpianaka roa lahy no tsy nifankahazo hevitra ka nitarika hatrany amin’ny fikasihan-tanana. Niakatra tokoa ny mari-pana tamin’izy mianaka ireto ka tsy nahafehy ny hatezerany intsony ny roa tonta, avy hatrany dia nifandray sy nifamono, tsy nahaleo ny herin’ity zanany anefa ilay raim-pianakaviana izay efa mananika ny faha-70 taonany fa ity tovolahy kosa dia mbola ao antin’ny tanjany tsara, satria vao 28 taona monja. Maty noho izany ity rainy ka niezaka tamin’izany ireto fianakaviana mba hanafina ity fahafatesany ity ho fahafatesana tsotra.

Tsy arak’izay anefa ny fandehan-javatra fa nisy nanao tatitra tany tany amin’ny zandary Ambohimiadana, ka avy hatrany dia nidina tany an-toerana ireo zandary niaraka tamin’ny dokotera ary avy hatrany dia nanao fizahana ny razana. Tamin’izany no nahitana ny ratra sy ny mangana teo amin’ny tarehiny ankavia ka anisan’ny nitarika ny fahafatesany.

Avy hatrany dia nosamborina ilay tovolahy zanany mba hanaovana ny fanadihadiana sy ny mety ho antony marina , fototry ny olana ka niafara tamin’izao famonoana izao.

ALEM

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication