Moramanga : Ankizy lahy voadaroka, fa nanao maloto an-kalamanjana

Zazalahy kely 14 taona, torana nodarohan’ilay rangahy 54 taona mpiray vodirindrina taminy fa tratrany nanao maloto teo an-kalamanjana, ny 30 oktobra tamin’ny 10 ora maraina raha iny hiomana ny handeha hianatra iny ilay zaza. Efa mahazatra ny manodidina an’ity toerana ity, ny manao maloto amin’ny toerana rehetra toy izao, noho ny tsy fananana lavapiringa na dia eto Moramanga renivohitra aza.Nefa nahagaga no nandarohany an’ity zaza ity, mbola betsaka no tsy resy lahatra amin’ny fampiasana ny lavapiringa.Na dia efa maro aza ny fanentanana nataon’ireo tompon’andraikitra misahana izany fa heveriny ho tsy misy fiantraikany maro ny tsy fampiasana an’izany.Tsy matahotra izay sazy miandry azy ilay rangahy fa vonona ny hanefa ny adidiny any am-ponja, raha misy izany fa tsy afaka ny hiantoka ny fitsaboana ilay zaza ara-bola  izy, satria tapaka ny taolana ao amin’ny tratrakeliny. Tsy afaka mianatra mihitsy izy, araka ny filazan’ny mpitsabo raha tsy sitrana, mety ho very taona iray mihitsy aza raha ratsy fanaraha-maso.

 CATHY

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication