Soavimasoandro : Enin-dahy nirongo kalaky, naka an-keriny tovolahy karàna

Ny eo tsy milamina, ny hafa mipoitra ihany. Asa tokoa raha tokony mba hisy ezaka ataon’ny Fanjakàna amin’izao zava-miseho izao. Nisehoana fakàna an-keriny karàna indray mantsy tetsy Soavimasoandro omaly antoandro.

Jiolahy enin-dahy nitondra kalaky sy basy poleta no naka an’ity tovolahy kely vao 20 taona monja, teratany karàna ity, raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana. Antoandro be nanahary, tokony ho tamin’ny 12 ora tany ho any, no niseho ity fangalàna an-keriny ity, raha ny fantatra teny an-toerana. Nalalaka tanteraka tsy nisy mpanelingelina ireto olon-dratsy, raha nampiditra amboletra ity tovolahy ity tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalàna iray teny an-toerana. Na izany aza anefa, raha ny loharanom-baovao azo dia tao anatin’ny fotoana fohy no nanantanterahan-dry zalahy ity asa ratsiny iny. Teratany Karàna, manana ny maha izy azy iray eto amintsika no manantanteraka fanamboaran-dalàna, mampitohy an’i Soavimasoandro sy Ivato, eny an-toerana. Isan’ireo teratany karàna miasa amin’izany ny mpitaiza an’ity tovolahy nisy naka an-keriny ity. Mba tonga nanara-maso teny an-toerana kosa ity farany tamin’io fotoana io. Malalaka tsy misy mpiambina rahateo ilay toeram-piasana, ka afaka miditra avokoa izay te hiditra. Toa izany ireto olona maromaro tao anatina fiara « Citroen » tsotsotra iray. Vao nivoaka izy ireo, avy hatrany dia namoaka basy sy nandrahona ireo mpiasa teo an-toerana, ary nanatona ilay tovolahy. Fiara iray tsy mataho-dalàna, nipetraka teo ihany no nampidiran’izy ireo ilay karàna. Vita izay, lasa izy ireo, nanao ho toy ireny mpitandro filaminana mitondra manam-pahefana ireny, teny amin’iny lalan’i Soavimasoandro iny. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana hatrany dia tsy nisy nisaron-tava ireto olon-dratsy ireto. Tranga isan’ny nahagaga ihany koa, hoy izy ireo, ny fisian’ilay fiara tsy mataho-dalana, miloko matroka toa efa vonona, teo an-toerana. Tao anatin’ity fiara iray ity avokoa mantsy ny taratasin’ny fiara sy ny lakileny, izay marihina fa ana terantany vahiny hafa, miasa eo amin’io faritra io ihany koa. Navelan’ireo olon-dratsy teo kosa ilay fiara tsotsotra nentin’izy ireo tamin’ny voalohany. Tonga marobe teny an-toerana avy hatrany ireo pôlisy tamina fiara maromaro, saingy efa dila sy tsy tazana intsony ireo mpaka an-keriny. Araka ny angom-baovao isan-karazany dia tovolahy saika hanao vakansy eto Madagasikara ity nalain’ireo olon-dratsy an-keriny ity. Kamboty ny tenany ary rahalahin-drainy io mitaiza azy io, izay monina eny amin’iny faritra Mandrosoa iny. Hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola tsy misy fitakiana vola aloha. Ny hany azon’ireo havany hatreto dia ny antson’ireo olon-dratsy avy amin’ny findain’ity karàna ity, milaza ny hoe « any am-pelatanan’izy ireo ilay tovolahy ». Dia tantara hafa mbola hitohy indray …

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

8 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. araka ny hevitro dia tsy ho foana ireo herisetra isakarazany ireo raha tsy miova hatramin’ny fotony ny responsables rehetra ao amin’ny institution isan’ambaratongany eto M/car satria izay tonga eo dia mieritreritra fa azy irery ity nosy ity ary ny Malagasy madinika dia toy ny milina kely ampiasaina ao an-tranon’izy ireo ka rehefa tsy ilaina dia ariana na potehina. Mila fiovam-penitra mahery vaika isika fa endrim-panadevozana daholo izany.

  2. ory Mr eric hendry o!! cinema daholo io ,amin’izay dia milaza ny olona fa tsy ry zalahy mpitandro filaminana no ao ambadik’io resaka io fa hoe tonga maro sns…;ary aoka tsy ho hadino fa maro ireo basy AK47 no azo fa ny ampintso iny ihany dia miverina aminy caserne nivoahany dia lasa indray ampanofana ,ny ahy tsotra raha vao misy basy tratra tonga dia dorana amin’izay tsy afaka ampiasaindry zalahy indray satria ianao tsy afaka ny hitazona an’iny

  3. Marina tsy misy diso ilay lazainao. Aleo mba samy hizaka izay sahaza azy. Fa dia ny mahagaga sy mahatalanjona dia ny hoe  » Fa avy aiza ilay Kalack nentina nanaovana fangalana ankeriny? » Amiko dia mazava ho azy fa avy ao amin’ny MPITANDRO FILAMINANA ihany no hiavian’ireo fangalana na fanafihahana eto amin’ny tanana ireo. Tsy misy afa-tsy ny MPITANDRO FILAMINANA ihany no manana Kalack. Na iza hiteny na inona hambara. Izaho manokana aloha dia TSY mahatoky ny MPITANDRO FILAMINANA intsony aho, na polisy, zandary, miaramila, TSIA. Rehefa mahazo dia fitsaram-bahoaka ihany. Amin’izao fotoana izao mantsy izay tia hanao mpitandro filaminana na tia hanao zandary na miaramila dia tonga dia raisiny. Nefa tsy fantatra izay tena marina momba ilay olona. Satria mahafantatra na fianakavian-dry fatin’amboa , tonga dia raisina.

  4. Mampalaelo foana n’iza n’iza misy maka ankeriny izany.
    Fa za mahita fontsiny hoe tokony ho voahaja ny « principe d’égalité » ka tsy hoe rehefa tera-tany vahiny no voaroba d « alerte générale » ny ao @foloalindahy fa rehefa ny malagasy no misy iharan’ny fanafihana mitam-basy mitarika fahafatesana mintsy aza dia tsy rarahina.
    Aleo mba samy hizaka e.d rehefa haka fepetra enjana hanafoanana ny mpaka ankeriny dia mba andraiso andraikitra hentitra toy izany koa ny fandriam-pahalemana eran’ny Nosy fa mijaly ny vahoaka malagasy!

  5. Si c’était Zodiat ou autres qui était kidnappé on aurait dit quoi ? objectivement parlant : « 2,3,4 kidnappings des GASY en un mois seulement, nous laissent penser que des actions mafieuses battent le plein au sein du gouvernement et des « élites » « GASY » ?

  6. Ny fahombiazana hatreto ho an’ny revolisioana loranjy dia ity loharanom-bola karana ity, satria moa iza tokoa no mpanana an’io kalaky io ?

  7. Toujours des Karana dans les collimateurs des Kidnappeurs. Pourquoi? 2,3,4 kidnappings des Karana en un mois seulement, nous laissent penser que des actions mafieuses battent le plein au sein de la communauté « KARANA ». Blanchiment d’argent? Manoeuvres de diversion pour des dessous politiques? …

  8. zavatra mazava be ne zany eh,iza no afaka mampiasa kalack sy mpanao be midina refa hisambotra mpigrevy ,de otrizay iany no nakana an-keriny le karana

Poster un commentaire