Toliara : Mpivaro-tena nodorana telolahy

Tovovavy iray manodidina 20 taona no hitan’ny olona nivalampatra teny an-dalana, izay efa tsy nahatsiaro tena intsony saingy mbola nafana ny vatany, afak’omaly naraim-be tany Toliara. Rehefa natao ny fizahana azy dia nahitana faritra may be teo anelanelam-peny roa ambanin’ny kibony nodorana tamin’ny afo. Rehefa nahatsiaro tena taorian’ny fitsaboana sahaza natao azy ny niharan-doza dia nitantara ny zava-nihantra taminy ity tovovavy izay fantatra fa mpampanofa fahafinaretana ity.

Tsy nety niray fa nandeha fadim-bolana. Nolazainy tamin’izany araka ny vaovao voaray fa telolahy niara-nirevy taminy tamina toeram-pialam-boly iray samy efa mamomamo no nanao herisetra taminy. Rehefa tsy nety niray tamin’ny iray tamin’ ireto telolahy ity mpivaro-tena nandeha fadim-bolana ity teny an-dalana tamina toerana maizina sy mangina, dia tezitra ilahio ka nanondraka ny ambin-toaka teny an-tanany tamin’ny faritra manakaiky ny maha vehivavy an’ity koaitra ity, ary namelona “briquette” nandoro izany. Tsy vitan’izay fa mbola nodarohan’izy ireo ihany ity tovovavy zanaky ny alina . Safotra tsy nahatsiaro tena ity farany, ka lasa nitsoaka izy telolahy, hoy hatrany ny vaovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Mahagaga ihany ilay mpivaro-tena mivoaka alina ,mirevy miaraka amin’olona telo nefa milaza fa mandeha fadim-bolana. Nahoana raha mipetraka tsara any an-trano aloha ??

Poster un commentaire