Ivato : Vahiny avy amin’ny Comesa voaroba, hita tamin’ny « camera » ireo mpangalatra

Ny alarobia lasa teo, valizy diplômatika ana tera tany vahiny, tonga teto amintsika mahakasika ilay fivorian’ny Comesa, no very nisy nangalatra, tetsy Ivato. « Modem » iray, finday avo lenta, ary solosaina iray no tao anatin’ity valizy ity. Araka ny fampitam-baovao azo, dia fantatra tamin’ny alàlan’ny « camera de surveillance » ireo olona nangalatra ireo. Nigadona teo an-tanindrazana ity teratany vahiny ity, niaraka tamin’ny olona telo hafa ny alarobia antoandro lasa teo. Nandeha nisakafo tao amina fivarotana « pizza » iray teny an-toerana izy ireo ka raha variana nihinan-kanina no lasan’ireo mpangalatra ilay valizy diplômatika. Nanatona ny tomponandraikitra avy hatrany ilay teratany vahiny, ka tamin’izany no nahitana ireto telovavy teo am-pangalarana izany, tamin’ny alàlan’ny « camera ». Efa mandeha moa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireto telo vavy ireto raha ny vaovao avy tamin’ny zandary misahana ny raharaha eny an-toerana.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Mba fantatrareo mpanao gazety ve ny tena dikan’izany hoe « valizy diplomatika » izany? mba fantatrareo ihany koa ve ny impact-n’izany hoe very eto madagasikara ny valizy diplomatikana firenena izany fa mahatonga hatr@ady eo anivon’ny firenena 2 tonta izany?? Mampalahelo ny ataonareo mpanao gazety fa sady miteniteny foana no mampidi-kizo ny firenena malagasy, nefa efa tsy mampita ny vaovao tena marina ihany koa. Hany ka maha te hiteny hoe rariny raha fehezina ny vavanareo mpiteniteny foana sy tsy matihanina, tsy sérieux @asanareo. Soa ihany fa tsy misy resaka valizy diplomatika izany ny COMESA, sady mampihomehy ianareo no mampalahelo

Poster un commentaire