Ampandrana : Mpanendaka anaty fiara roalahy nidoboka eny am-ponja

Ela nitoratorahana ! Tsy misy intsony raha amin’izao fotoana izao no tsy mikaikaika amin’ity resaka fanendahana anaty fiara ity. Ireo mpandeha fiara fitateram-bahoaka no tena lasibatra amin’izany. Eo anatrehan’izay indrindra, roalahy efa rain-dahiny amin’ny fanendahana fiara no voasambotry ny pôlisin’ny boriborintany fahatelo ny alatsinainy lasa teo. Natolotra ny Fampanoavana omaly izy ireo ary dia nadoboka am-ponja avy hatrany. Ramatoa iray no lasibatr’ireto olon-dratsy ireto teny amin’iny faritra Ampandrana iny. Pôketran’ity ramatoa ity no lasan’ireo jiolahy tamin’izany, izay nisy vola efatra hetsy ariary, finday ary zavatra sarobidy hafa. Natao avy hatrany ny fanenjehana azy roalahy ka tsy lasa lavitra akory dia voasambotra. Niaiky ny heloka vitany izy roalahy ireto tamin’ny fanadihadiana azy, ary izao natolotra ny Fitsaràna izao. Efa miezaka tanteraka ireo mpitandro filaminana ny amin’ny famongorana ity resaka fanendahana sy sinto-mahery ity eny amin’ireo faritra mena, ao anatin’ity boriborintany fahatelo ity. Fantatra ary fa mpanendaka dimy teo no efa voasambotra teny amin’iny faritra Andravoahangy sy ny manodidina iny ny faran’ny herinandro lasa teo, izay efa samy nadoboka any am-ponja avokoa.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire