Anosy : Tovovavy niala aina teo imason’olona

Betsaka ny olona nahatsikaritra. Ireo izay nandalo teo Anosy, manodidina iny Antenimieran-doholona iny, no tena nahita ny zava-nitranga. Tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro, omaly, no hitan’ny olona fa tsy salama ny vehivavy iray. « Nilaza ho nisy narary azy tao amin’ny tratrany ary taorian’izay dia tsy nahatsiaro tena izy. Reraky ny hanohanana teo no niheverana azy ary nisy ny fanaovana tsipaipaika mba nividianana sakafo kely ho azy », raha araka ny fanazavan’ny olona iray izay nahita ny zava-nitranga. Taorian’izay dia niverina indray ny ainy ary noheverin’ny olona teo fa vita ny adidin’izy ireo. Nivadika tanteraka ny toe-javatra satria niverina tsy nahatsiaro tena indray ilay tovovavy, izay tena mbola tanora tokoa, heverina ho latsaky ny 18 taona aza raha ny fijery ny vatany. Teo amin’ny arabe mihitsy izy no safotra ary teo dia tsy tafaverina intsony ny ainy. Ontsa tanteraka ny olona raha nahita izany ary niverina nanao tsipaipaika indray mba hividianana lamba hanakonana ny razana, mandra-pahatongan’ny mpaka azy. Tsy nisy taratasy namantarana aza rahateo teny amin’ilay tovovavy namoy aina hany ka tsy maintsy nampandrenesina ny tompon’andraikitra teo anivon’ny Bmh. Ontsa ny maro raha nahita ity olona izay tena mbola tanora kely nefa maty tao anatin’ny toe-javatra izay tsy fantatra mazava. Teo ihany koa ny nenina ho an’izay nahatsapa fa tokony nentina teny amin’ny mpitsabo izy tamin’ny mbola nahatsiaro tena kely. Betsaka ny olona no torana eny an-dalambe ary isan’andro mihitsy aza no misy aterin’ny mpamonjy voina any amin’ny hopitaly noho izany antony izany. Betsaka ihany koa anefa ireo mitazam-potsiny rehefa mahita izany noho ny tahotra sao hitontona any aminy indray ny vesatra sy ny fividianana fanafody na koa ny saran’ny fitaterana ny marary any amin’ny hopitaly. Very tanteraka indraindray ny soatoavina maha-malagasy

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Ka na aterina any amin’ny hopitaly aza refa tsisy vola tsy raisin’ny dokotera sssshhhhh

Poster un commentaire