Namontana : Niara-vaky ny trano sy ny tsena , very ny entana rehetra, simba ny trano

Nisehoana vaky trano indray tetsy Namontana ny sabotsy tokony ho tamin’ny 11 ora alina  teo. Araka ny vaovao voaray dia fantatra fa tsenakely fivarotana ireny entana madinika ireny no vaky tamin’iny faritra iny. Rehefa avy namaky ity tsena ity  ireto jiolahy, dia nifindra namaky ny trano teo akaiky indray. Vokany, very avokoa ny entana rehetra na ny tao an-trano na ny tao an-tsena. Ny trano kosa dia voalaza fa potika tanteraka satria nogoahan’ireto mpamaky trano ny rindrina ka biriky maro no fantatra fa niendaka vokatr’izany. Araka ny fitantaran’ny tompon’ny trano sy tsenakely dia tsy nahatsikaritra na inona na inona ry zareo nandritra ny alina tontolo fa  dia hatairana ny azy ireo  raha nahita zava-nitranga ny maraina. Efa nitangorona ny mponina nahita ity trano efa voalavaka tanteraka. Tsy nisy naheno feo na zavatra hafa ireto tompon’ny trano sy tsena. Ny trano efa tsy nisy biriky intsony no novantanina ny maraina.  Marihina moa fa olona iray ihany no tompon’ireto trano sy tsena ireto ka nitaraina mafy izy ireo ny mba hisian’ny tompon’andraikitra eny amin’iny faritra Namontana iny fa tena mirongatra tokoa ny vaky trano.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire