Anjozorobe : Zazavavikely lasa takalonaina, avotry ny miaramila

Dahalo maromaro mirongo basy sy lefona ary famaky, no tonga nanafika ny tananan’i Fierenana, kaominina Beronono, distrika Anjozorobe, ny zoma lasa teo. Vokatr’izay, omby am-polony no lasan’ireo dahalo, ary zazavavikely iray no nentin’izy ireo natao takalonaina. « Nanara-dia avy hatrany ireo fokonolona am-polony maro ary nampandre ny miaramilan’ny DAS avy amin’ny Vondron-tafika Capsat sy ny miaramila avy ao amin’ny Foibe Fiofanan’ny Rezimantan’ny Andry sy Tohana ( RAS ) ao Tampoketsa ; izay nanao ny fanarahan-dia avy hatrany » hoy ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny Sampana seraseran’ny Tafika. Raikitra ny fifandonana tao amin’ny tananan’ Antakavana, Ankazobe, teo amin’ireo miaramila sy ireto malaso. Resy tosika avy hatrany izy ireo, ka nanao tari-dositra. Namela ireo omby avy nangalariny sy ilay ankizivavy kely, izay avotra soa aman-tsara. « Izao no nahitam-bokany, dia teo ny fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ny miaramila ka miantso ny tsirairay ny eo amin’ny Fibaikoana ny Tafika Malagasy mba hanome vaovao marim-pototra sy ara-potoana mba hahafahan’ireo miaramila manao ny fanenjehana sy ny fanarahan-dia ary ny fanakanana ireo olon-dratsy » hoy hatrany ny vaovao.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire