Andranomena : Olona telo, naratra mafy voafaokan’ny taxi-brousse

Tsapa ho nisesisesy indray tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana raha nilamindamina izany teo aloha teo. Na izany teto an-drenivohitra na tany amin’ireo lalam-pirenena. Omaly, dia olona telo no naratra mafy, rehefa nofaohin’ny fiara taxi-brousse, marika “mazda”, mampitohy an’Antanimena sy Ivato, tetsy Andranomena. Tokony ho tamin’ny 11 ora teo ho eo, tsy fantatra mazava izay nahazo ny mpamilin’ity fiara “mazda” ity fa iny izy afaka tamin’ny fitohanana teo Andranomena iny no nampiakatra ambony dia ambony ny hafainganam-pandehany. Ny tsy fantany anefa dia mbola nivaly fitohanana ihany koa tao aloha tao, ary tsy voatana intsony araka ny familiana. Tamin’io ora sy fotoana io koa anefa no nisy olona somary niampita. Niezaka niala ireo ilay mpamily saingy somary nahazo ny sisin-dalana ny fiara ary nifaoaka ireo mpandeha an-tongotra. Miisa telo izy ireo, izay samy naratra mafy avokoa. Fa tetsy andanin’izay dia niafara tamin’ny fandomana fiara “sprinter” iray izay iray zotra aminy ihany ity fiara adala ity, ary tamin’izay vao tafajanona. Efa samy nentina novonjena tany amin’ny toeram-pitsaboana avokoa moa ireto olona naratra. Tonga teny an-toerana kosa ireo mpitandro filaminana ary nitondra ity mpamily ity nentina nanaovana fanadihadiana.

Fa mbola lozam-pifamoivoizana hatrany, taxi-brousse iray no nivadika tamin’iny lalam-pirenena faha-25 iny, kilaometra vitsy tsy hiditra ny tanan’Irondro omaly maraina. Avy any Mahajanga ka ho any Vangaindrano ity taxi-brousse ity io tra-doza io. Raha ny angom-baovao azo dia maro tamin’ireo mpandeha no naratra ary misy tamin’ireo no tena voa mafy, ary tena atahorana ny ainy. Hatreto dia mbola tsy fantatra ny nahatonga ny loza. Olona ara-teknika sy teo amin’ny fiara, sa harerahan’ny mpamily. Efa tonga teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana nizaha ifotony ny zava-nisy.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire