Ankazoabo Atsimo : “ Fanafihana telo na efatra isan’andro no mitranga, lasibatr’ ireo malaso ny ombin-tsarety “, hoy ny Ben’ny tanàna

Noho ny tsy fahampian’isa sy tsy fahampiana fitaovana eo amin’ireo mpitandro filaminana miasa any amin’ny Distrikan’ Ankazoabo Atsimo, dia manjaka tokana ny dahalo ankehitriny. Saika isan’andro dia andrenesana asan-dahalo foana any an-toerana, ka miaina ao anaty horohoro sy tahotra ny vahoaka izay mahatsiaro tena ho tsy misy mpiaro intsony amin’izao, na dia manao antso vonjy mafy aza, kanefa toa antso an’efitra tsy misy mpihaino izany. Noho ity asan-dahalo toa tsy misy fanafana ity, dia miharitra ny omby ka tsy mifidy hangalarina intsony ireo malaso tanora, fa lasibatra hatramin’ny ombin-tsarety. Na antoandro na alina dia andrenesana hazolava (antso vonjy) foana any an-toerana. “ Fanafihana telo na efatra isan’andro no miseho aty aminay, satria ny ankamaroan’ireo ao amin’ny Dinabe (andrimasom-pokonolona) izay noheverina fa hiady amin’ny halatra omby dia saika ireo dahalo mbola tsy niova fo avokoa ”, hoy ny Ben’ny tanànan’ Ankazoabo Atsimo, Ramamiro Daudet. Lesoka ihany koa ka tsy mety mahafoana mihitsy ny halatra omby arahina vono olona any an-toerana, raha ny nambaran’ity olom-boafidy ity hatrany, ny tsy fisian’ny fiaraha-miasa matotra misy eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny Dinabe. “ Noho ny tahotra ny ain’izy ireo dia tsy mety manara-dia miaraka amin’ny Dinabe mihitsy ireo mpitandro filaminana “,hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity sady namarana  ny fanazavany.

Eric Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire