Miaramila maty tany Miandrivazo : « Niniana novonoina ny havanay » hoy ireo fianakaviana

Tonga taty am-poto-tsofinay ny feo fa hoe jiolahy ny havanay ary fitsaram-bahoaka no nahafaty azy tany amin’iny faritra Miandrivazo iny. Mandà tanteraka an’izany filazàna izany anefa izahay fianakaviana ary manamafy etoana fa niniana novonoina ity havanay ity” hoy ny antsoantson’ireo fianakavianana manamboninahitra miaramila iray, hita faty tany amin’iny faritra Miandrivazo iny ny zoma 3 novambra laa teo. Raha tsiahivina dia tamin’ny efatra ora maraina tany ho any no hitan’ny fokonolona nitsirara teo amin’ny arabe, ny vatana mangatsiaka an’ity lehilahy ity. Teo amin’ny lohany no voa mafy, ary noheverina fa nitarika ny fahafatesany. Tsy nahitàna ratra hafa na mangana kosa tany amin’ny faritry ny vatany. Antony nilazan’ireto fianakaviana ireto, nitafa taminay fa tsy fitsaram-bahoaka velively no nahafaty ny havany fa nisy ninia namono mihitsy izy. Manamboninahitra mitondra ny gradina “lieutenant” ity miaramila hita faty ity. Nanantateraka iraka ofisialy tany amin’io tanana io ny tenany, 10 andro talohan’ny nahitana ny vatana mangatsiakany izao. Hatreto moa dia mbola tsy nisy mangirana ny amin’ny famotorana, na dia efa manao izay azo atao avokoa aza ireo tompon’andraikitra amin’izany. Araka izany dia manentana hatrany ny fitohizan’izany sy mirary ny ahitàna ny marina rehetra mahakasika ity tranga ity ireo fianakavian’ny maty.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire