Amparafaravola : Telo mianaka azon’ny dahalo, maty notapahin-doha

Dahalo rain-dahiny nanafika tokantrano iray  no diso fanantenana tamin’ny  vola tokony ho  azony ka nosamboriny izy telo mianaka ary nentiny niala lavidavitra ny tanàna ary dia notapahany tsirairay ny lohan’izy telomianaka , ny iray aza moa nahitana dian’antsy maromaro ny tendany izay vao tapaka. Raim-pianakaviana manodidina ny 72 taona ary ny  vadiny 50 taona ary ny zanany vavimatoa 30 taona no  niharan’ny fanafihan’ ireto jiolahy ireto , nisy  zanak’izy ireo iray tao an-trano fa saingy nisitrika ity farany ka tsy hitan’ireo jiolahy. Araka ny loharanom-baovao dia nivarotra kisoa ireto fianakaviana ireto ny voalohandohan’ny taona 2018 lasa teo ary dia noheverin’ireo jiolahy mbola nisy volabe tao amin’izy ireo ka izao niharan’ny fanafihana izao kinanjo efa tsy tao intsony ny volabe ka mety ho  antony namonoan’ireto jiolahy ireto azy 3 mianaka . Lehiben’ny fokotany ilay raim-pianakaviana ka mora tamin’ireo jiolahy ny nitady ny trano , izay tao Ambondroala kaominina Sahamamy distrikan’Amparafaravola  no nitrangan’ny famonoana ny alin’ny faha 06 janoary 2017 hifoha ny faha 07 janoary 2018. Mihorohoro araka izany ny vahoaka amin’iny tapany andrefan’Alaotra  iny noho ny fanafihan-jiolahy matetika tato ho ato   satria raha ny  tao  Antefirano Anororo ny faraparan’ny herinandro teo  dia nataon’ireo jiolahy takalonaina indray  ny zaza tao an-trano rehefa tsy nahazo vola izy  ka rehefa nivondrona ny fokonolona rehetra dia tafatsoaka ihany ireo jiolahy ary tafaverina tamin’ny fianakaviany ilay takalonaina .Manao antso amin’ny fanjakana foibe ny vahoaka any amin’iny faritra Ampitandrefana iny fa lasa matahotra nohon’ny fanafihan-jiolahy ary efa  ho olona 4 izay no efa   tapatenda  tany amin’iny faritra iny  nohon’ny asan-jiolahy. Mandray andraikitra ny eny anivon’ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao ka hinoana fa hisy ny vokatra azo.

Janus R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire