Alasora : Nafatotra ny mpiambina, norobaina ny trano

Ny alin’ny asabotsy hifoha alahady no nitranga ilay fanafihan-jiolahy. Valo lahy izay mitam-piadiana no nanafika ny tokantrano iray izay vao vita vao haingana ary nipetrahana. Nolavahin’izy ireo ny tamboho. Teo am-panatontosana an’izany ny olon-dratsy no tsikaritry ny tompon-trano izay nampandre an-telefaonina ny mpiambina izay ao ivelan’ny tamboho no mipetraka. Nivoaka avy hatrany io farany ary nifanehatra tamin’ny jiolahy. Be noho ny vitsy anefa ka tsy nahavita na inona na inona. Nafatotry ny jiolahy dia notohizan’izy ireo ny fandavahana ny rindrina. Tafiditra tao anaty tokontany rehefa avy eo ary rehefa hitan’ny tompon-trano fa tsy misy hevitra intsony ny fanafihana izay hianjady amin’izy ireo, avy hatrany dia novohaina ny trano ary nampandrosoina ny jiolahy. Tsy nisy ny herisetra vokatr’izany “fandraisana mahafa-po” izany ary dia nomena fotsiny ny vola izay nisy tao an-trano dia vita ny fanafihana. Mitentina iray tapitrisa ariary, raha araka ny vaovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana no lasa. Feno minisitra mipetraka, ary feno manam-pahefana monina eny Alasora kanefa dia mbola hataon’ny jiolahy kianja hatrany.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire