Itaosy : Fiara tsy mataho-dalana, nifatratra tanaty fivarotana

Ny alin’ny zoma lasa teo, nitrangana lozam-pifamoivoizana noho ny fandehanana mafy teny Andranonahoatra Itaosy. Fiara tsy mataho-dalana iray no namarana ny diany tany amina fivarotana iray teny an-toerana. Tsy nisy namoy ny ainy tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity, saingy ilay mpamily no naratra mafy. Potika tanteraka kosa ilay fiara, niaraka tamin’ilay trano nodoniny ary entana maromaro tamin’ilay fivarotana. Araka ny fampitam-baovao azo dia tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina teo no nitranga ity loza ity. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga izany, mpamily nandray zava-mahadomelina ve sa olana teknika nanjo ny fiara. Raha ny fanazavana azo avy tamin’ny zandary fotsiny aloha dia hoe fantatra fa nandeha mafy dia mafy ity fiara tsy mataho-dalana ity. Azo heverina fa tsy voatana ny familiana ary dia nifatratra teny amin’ilay trano fivarotana izy. Soa ihany koa, fa efa nikatona ary tsy nisy olona tao amin’ity fivarotana enta-madinika ity tamin’io fotoana io.  Efa nentina notsaboina tany amin’ny hôpitaly moa ity mpamily naratra ity. Miandry ny fitsaboana dia atao ny famotorana rehetra mahakasika ity loza ity. Ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Itaosy moa no misahana izany.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire