Mahamasina : Nofatorana dia nodarohina ny mpangalatra

Samy nanala ny fony teo ny olona izay efa leon’ny tsy fandriam-pahalemana. « Lehilahy iray, 31 taona no nofatoran’ny fokonolona ary nateriny teo anivon’ny kaomisaria », raha araka ny fanazan’ny polisy. Tratra ambodiomby teo am-pamakiana trano tetsy Namontana io omaly. Trano fivarotana no nataony lasibatra. « Niharan’ny fitsaram-bahoaka ity olon-dratsy ity ka noho ireo ratra nahazo azy dia nentin’ny polisy namonjy toeram-pitsboana aloha izy mialoha ny hanaovana fanadihadiana azy. Mbola tsy tonga nametraka fitoriana ny tompon’ilay tsena vaky hatramin’ny omaly », raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire