Ambohimangakely : Mpangalatra vy amin’ny pylone, tra-tehaka

Ireo olon-dratsy tra-tehaka, an-dalana hihazo ny Fampanoavana.

Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy izy ireo no tra-tehaky ny fokonolona sy ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely, teo am-panongotana ireny vy miaro ireo andrin-jiro lehiben’ny Jirama tsy hirodana ireny.

Nandaitra sahady ny fampiharana ny toromariky ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny amin’ny « tagnamaron’ny fandriam-pahalemana », izay raha fintina dia fampandraisana anjara ny rehetra, fa tsy hiandry ny mpitandro filaminana irery ihany, amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Taorian’ny fanentanana nataon’ireo zandary, teny amin’iny faritra Ambohimangakely, indrindra tao amin’ny fokontanin’i Betafo, iny tokoa mantsy, izay notarihin’ny kaomandin’izany tobim-paritra izany dia niara-nisalahy ireo fokonolona amin’ny fanatrarana ireo olon-dratsy. Vokatr’izay, ny herinandro lasa teo dia fantatra ireny mpangalatra vy amin’ny andrin-jiron’ny Jirama ireny no tra-tehaka. Ny tena loza dia ireny vy, mamatotra sy mitazona ireo andrin-jiro lehibe mitondra herinaratra mahery vaika ireny, no alain’ireto mpangalatra ireto. Izany hoe raha mitohitohy izany dia tsy maintsy hianjera ilay andrin-jiro lehibe. Pylone maromaro teny an-toerana no efa nahazoan’izy ireo izany, raha ny fanazavana azo hatrany, ary amidin’izy ireo eny amin’iny faritra Isotry ny vy azon’izy ireo. Ny fiaraha-mientan’ny fokonolona no nahatratrarana azy roa lahy ireto, izay nifanenjehana niaraka tamin’ireo zandary. Mbola nahatratrarana « barre » niisa efatra moa tany amin’izy ireo tamin’izany. Nentina natao andrimaso avy hatrany tany amin’iny birao ireto farany, ho amin’ny famotorana. Natolotra ny Fampanoavana ny faran’ny herinandro lasa teo.

m.L

 

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Tokony dia gadraina 20 taona aorian’ ny fitsarana azy ny olona toy ireny fa mamotika Tanindrazana.

Poster un commentaire