Lozam-pifamiovoizana R44 : Napiatoana mandritra ny 10 andro ny koaperativa FIFIZAM

Nilatsaka ny sazy. Taorian’iny lozam-pifamoivoizana nitranga tany Marovoay, amin’ny Lalam-pirenena faha-44 mihazo an’i Tanambe, ka nahafatesana olona 8 sy naharatrana am-polony ny 20 oktobra la sa teo iny, dia fantatra izao fa nahato tsy hitrandraka ny zotra mampitohy an’Antananarivo sy Tanambe mandritra ny 10 andro ny kaoperativa FIFIZAM izay iasan’ny ilay fiara tompon’antoka tamin’iny. Nosontonina ihany koa « licence d’exploitation » na ny fahazoana manao fitanterana ho an’ity fiara ity ankoatry fanesorana ny « permis de conduire » ho an’ilay mpamily. Tsy vitan’izay fa mbola nosaziana tsy hahazo manao taratasy eo an’ivon’ny Antokondraharaha misahana ny fitanterana an-tanety (ATT) ihany koa ny kaoperativa FIFIZAM. Noraisin’ny ATT izany fepetra izany ho fampiharana ny lalàna manan-kery amin’ny tranga nahafatezana olona maro toy izao. Amin’ny ankapobeny, dia tsara ny fandraisana andraikitra saingy ilaina hatrany ny fosorohana mialoha ataon’ireo rtompon’nadraikitra isan-tsokajiny amin’ity raharaham-pitanterana sy ny fofamoivoizana an-tanety ity mba tsy hitrangan’ny loza toy ireny intsony. Tokony hamafisina hatrany ny fitsiraha atao amin’ireo fiara rehetra mifamoivoy, ka saziana avy hatrany izay tratra tsy manara-dalàna.

T.M.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire