Betioky Atsimo : Mirongatra ny vono olona, halatr’omby, vaky fasana ary fanafihana mitam-piadiana

Taorian’ny nampidirana am-ponja vonjy maika ny Ben’ny tanànan’i Bezaha, Faralahy Manantena Behaja (Dada Maire), ny 23 oktobra lasa teo, mirongatra ny tsy fandriampahalemana toy ny halatra omby, vono olona amin’ny fomba feno habibiana, vaky fasana, fandrobana sy fanafihana mitam-piadiana,…any amin’ny Kaominina ambanivohitry Bezaha sy any amin’ny Distrikan’ i Betioky Atsimo, ka mandry andriran’antsy ny vahoaka.

Ny alin’ny 9 novambra teo, tokony ho tamin’ny sivy ora, omby 14 an’ny lefitry ny Ben’ny tanànan’ Andranomangatsiaka no lasan’ny dahalo, tao amin’ny Fokontany Amimbahy. Talohan’io, ny 31 oktobra lasa teo, omby sivy an’ny Ben’ny tanànan’ Ankilivalo no lasan’ny malaso. Raha ny loharanom-baovao hatrany, ombin-tsarety11 norobain’ny dahalo nanomboka ny ny alin’ny 26 oktobra no mankaty, ka mbola tsy misy hita popoka hatramin’izao ireo omby very, izay ombin’ny Ben’ny tanànan’ Antoambato ny roa, very ny 2 novambra, raha an’ny lefiny kosa ny 2 hafa najavona ny alin’ny 7 novambra teo.

Vaky fasana. Tsy ny halatr’omby ihany, fa mirongatra ihany koa ny vaky fasana sy halatra taolam-paty any amin’ny Distrikan’i Betioky Atsimo. Ny alin’ny 26 oktobra lasa teo, fasana 120 no vaky tany amin’ny Kaominina Manalibe, raha fasana 15 kosa no nisy namaky tao Anjatokana Kaominina Bezaha, ny 30 oktobra lasa teo. Ny alin’ny 9 novambra, tokony ho tamin’ny valo ora, kamiao iray nitondra vary avy an’i Toliara hiazo an’i Bekily no notafihan’ny dahalo mpanakan-dalana tao Betalaha Kaominina Vatolatsaka, ka lasan’ny malaso tamin’izany ny vary fito gony.

Vono olona. Zazalahy 16 taona niandry osy teny an-tsaha no maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, ny antoandron’ny 2 novambra lasa teo, tany amin’ny Fokontany Anarabe, Kaominina Betioky. Ny alin’io hatrany, tokony ho tamin’ny 11 ora, tany amin’ny Kaominina Besely Fanafaka, tovolahy iray 27 taona avy any Ankilivalo namonjy havoria (fety) no nisy nitifitra, ka maty tsy tra-drano tao amin’ny Fokontany Manambaro. Ny alin’ny 5 novambra, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany, lehilahy iray 37 taona avy nivarotra omby hamonjy fodiana no notafihan’ny dahalo teny an-dalana, tao amin’ny Fokontany Ankilitelo Fenoarivo Kaominina Manalobe, ka lasan’ny malaso tamin’izany ny lelavola 2 tapitrisa ariary. Ny harivan’ny 7 novambra, tokony ho tamin’ny fito ora, notifirin’ny olon-dratsy ny lehiben’ny Dinaben’ny Kaominina Andranomangatsiaka. Ny antoandron’ny 8 novambra, tokony ho tamin’ny 11 ora, lehilahy iray 40 taona no maty tsy tra-drano voatifitra tao amin’ny Fokontany Fenoarivo Tevamenatsirana, Kaominina Tongobory.

Dinabe. Noho ny firongatry ny asa ratsy izay, maro amin’ireo mpikamban’ny Dinabe any amin’ny Distrikan’i Betioky Atsimo no hanatitra saina (hiala), satria raha ny fanazavana azo, ny olona miasa mafy mamono tena miady amin’ny olon-dratsy indray no samborina ka kivy izy ireo.  « Maire Dada izay lehiben’ny Dinaben’ny Faritra Atsimo Andrefana teo aloha no nampilamina ny taninay, ka nahatonga ny Kaominina Bezaha ho renivohitry ny fandriampahalemana, ary nilamina avokoa ireo Kaominina ambanivohitra maro taty amin’ny Distrikan’ i Betioky Atsimo sy Distrikan’i Beninitra, ary afaka nihary an-kalalahana ny vahoaka. Ankehitriny anefa, mifanohitra amin’izay ny zava-misy, ka matoky ny fahendren’ny Fitsarana izahay vahoaka miaina ao anaty horohoro tanteraka amin’izao. »

Tsiahivina, ity Ben’ny tanàna naiditra am-ponja vonjy maika ity niaraka tamin’ny miaramila sy ireo Dinaben’i Betioky Atsimo notarihany no nanafaka ilay zazalahy varira 12 taona teo am-pelatanan’ireo naka an-keriny azy, ka hita tao anaty lava-bato iray tany amin’ ny Fokontany Soarano, Kaominina ambanivohitry Bereketa, Distrikan’i Sakaraha, sivy andro taorian’ny nahavery azy, ny alin’ny 6 septambra 2021, tokony ho tamin’ny 11 ora sy 43 minitra, tany amin’ny Fokontany Befamoty, Kaominina ambanivohitra Tanambao Haut.

Eric Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire