Isotry : Mpanendaka mihajabe voasambotry ny polisy

Tsy hita amin’ny fomba fitafiny ny maha mpanendaka azy. Tovolahy mirijarija, manao akanjo madio sy mihaja ary manara-damaody hatrany amin’ny kirarony no tratran’ny polisy teny Ambalavao Isotry omaly hariva. Teo am-panaovana ny asa ratsiny manendaka mihitsy izy io no voasambotry ny polisy nanao fanamiana sivily. Mihevitra ny tsy misy mahita ny anao lahy ka nanaraka vehivavy iray ka teo ampikasana ny hisintona ny finday no tratran’ny mpitandro filaminana avy hatrany. Saika ny hamaly saingy sendra ny nahay azy ka tsy afa-nikofoka. Ranjanana sy lava rahateo ilay tovolahy. Tonga teny an-toerana ihany koa ny polisy nanampy ity namany ka nentina avy hatrany teny amin’ny paositry ny polisy Ampefiloha, hanaovana fanadihadiana.
Araka ny fanazavana,  jiolahy efa mpamerin-keloka ihany ireny manendaka eto an-drenivohitra ireny. Misy amin’izy ireny ny efa hita anaty ny lisitry ny voasambotra hatrany. Fantatry ny olona ihany koa izy ireo, saingy tsy misy sahy mitoroka noho ny tahotra. Mandrahona rahateo ireo olon-dratsy. Matetika tratra eo am-panaovana ny asa ratsiny izy ireny, tahaka ity teny Ambalavao Isotry ity. Miverina manao ny asa ratsiny hatrany koa ireo jiolahy noho ny sazy azony izay vetivety ihany dia mivoaka. Misy aza moa sahy mandrahona fa tsy ijanona ela any am-ponja, ka hanao valifaty. Tompon’andraikitra amin’ny fijerena ny sazy ho an’ireo olon-dratsy ireo ny fitsarana. Hatao fanadihadiana ity voasambotra ity ary hatolotra ny fitsarana tsy ho ela.

Yv Sam

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Maivana loatra ny fanasazina ilay manao eloka de miverimberina ilay fangalarana. Tokony hovaina ny lalana fahamaizana

Poster un commentaire