Misasakalin’ny krismasy : Fiangonana nilatsaham-baratra, olona folo maty

Loza ! Raha mbola teo am-panomanana ny fiaraha-mivavaka ho amin’ny misasakalin’ny Noely ireo mpiangona tao amin’ity fiangonana katôlika iray tao Betsipolitra, Tsiroanomandidy, no nirefotra ny varatra. Nilatsaka tao amin’ity toerana ity.

Tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any, tao anatin’ny fankalazana ny misasakalin’ny krismasy mihitsy no nitranga  ny loza, araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Somary ratsiratsy tokoa ny toetr’andro tamin’io fotoana io ary nanomboka nikotroka tany ho any. Toy ny mahazatra ireo mponina tamin’ny faritra maro eto amintsika anefa, izay ahitana orana ao anatin’ny misasakalin’ny Noely dia nitohy toy ny mahazatra ny fankalazana izany, tao amin’ity fiangonana katôlika iray tao amin’ny fokontanin’i Marofarihy, kaominina Ankerana Avaratra. Mbola nisomebiseby tamin’ny fampisehoana « sary velona » ireo ankizy sy ireo olon-dehibe no nirefotra tampoka ny varatra. Nilatsaka teo am-povoan-trano, tao amin’ity fiangonana ity. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia olona folo no maty tsy tra-drano vokatr’izay : olon-dehibe ny efatra, ary ankizy manodidina ny 7 ka hatramin’ny 17 taona ny enina ambiny. Nisy enina tamin’ireo mpiangona kosa no naratra mafy, may vokatr’izay filatsaham-baratra izay, izay nahitàna ankizivavy kely 11 taona. Horohoro, tahotra, kiakiaka ary alahelo no nentin’ireto mpiangona nitsena ny krismasy tamin’io fotoana io. Vantany vao naheno ny vaovao moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana tao amin’ny zanatobim-paritry ny zandary tao Ankerana Avaratra dia nidina avy hatrany teny an-toerana nisehoan’ny loza, niaraka tamin’ireo mpitsabo. Nisy ihany koa ny fidinan’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy nijery ifotony ny zava-nisy. Ny razana, taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo dia efa natolotra ny fianakavian’izy ireo tsirairay avy. Ireo naratra kosa dia efa manaraka fitsaboana ao amin’ny CSB II ao Ankerana Avaratra, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Tao anatin’ny fotoam-bavaka ny andron’ny krimasy teo moa, dia saika nisy fahatsiarovana sy fanoroloram-bavaka ho an’ireo niharam-boina tamin’ireo fiangonana katôlika maro.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire