Tags: Faits-Divers : Taolaganro; jiolahy; Fort-Dauphin

Mbola iharan’ny hetraketrak’ireo jiolahy ny mpizahatany tonga mivahiny amin’iny distrikan’iFort-Dauphin iny. Tamin’ny fandalovan’ny sambo iray tany an-toerana ny herinandro teo iny, raha sendra nitsangatsanga tany amin’ireo torapasika manodidina ny tanàna ireo mpizahatany vitsivitsy,dia norobain’ireo tanora  mirahalahy  tontakely, mirongo fitaovam-piadiana. Tao amin’ny tora-pasik’Ambinanikely no nitrangan’izany. Tamin’ny fotoana  mangina, tsy nahitana olona nivezivezy no nanatanterahan’izy roalahy ny…